<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><hymn_number>611</hymn_number>
<lyrics>[V1]
 Jehovah Ray Malala ô !
 Izay ao an-danitra ao,
 Henoy ny fivavahako
 Ataoko Aminao,
 Fa Jeso Kristy Zanakao
 No tena sorona
 Izay entiko ho Aminao,
 Mpamela heloka.

[V2]
 Jehovah Ray Malala ô !
 Izay ao an-danitra ao,
 Henoy ny fivavahako
 Ataoko Aminao,
 Fa Jeso Kristy Zanakao
 No tena sorona
 Izay entiko ho Aminao,
 Mpamela heloka.

[V3]
 Ny fikapohana, izay
 Ataonao amiko,
 Dia misy fananarana
 Mba hibebahako ;
 Ny fahafatesana, izay
 Ho tonga koa izao,
 Dia làlana halehako
 Ho any Aminao.

[V4]
 Mba raisonao ny tanako,
 Tantano aho izao,
 Fa zazabodo, Raiko ô !
 Ampio ny zanakao
 Na tondraka ny rano re
 Ka safononoka ao,
 Ny faty tsy ho tahotro
 Hodiako Aminao.</lyrics>
<title>Jehovah Ray Malala o FFPM611</title>
</song>